Iza no manao inona amin’ny ady amin’ny kolikoly ?

Accueil|Fantaro ny atao hoe kolikoly|Iza no manao inona amin’ny ady amin’ny kolikoly ?
Iza no manao inona amin’ny ady amin’ny kolikoly ? 2017-07-26T09:39:49+03:00

Ny BIANCO

TsyCoolKoly BIANCONapetraka tamin’ny 2004 ny Birao mahaleotena iadiana amin’ny kolikoly mba handrafitra sy hanatanteraka ny paik’ady iadiana amin’ny kolikoly eto Madagasikara. Araka izany, andry miisa telo no hita ao amin’ny BIANCO, ary departemanta telo samihafa no ahatazanana an’izany :

I- Ny fanabeazana

Misahana ireto asa manaraka ireto ny BIANCO :

  • Manabe ny sarambabem-bahoaka mikasika ny kolikoly, ny vokany, ny endriny isankarazany, ny soatoavina ifampizarana sy hajaina eo amin’ny fiaraha-monina
  • Manentana ny mponina amin’ny andraikitra mikasika ny ady amin’ny kolikoly
  • Mampita ny soatoavina, ny paik’ady fisorohana ny fanaovana kolikoly
  • Mandresy lahatra ny mponina hitoroka ny karazana kolikoly


II- Ny fisorohana

Miandraikitra ireto manaraka ireto ny BIANCO :

  • Mamantatra ny seho mety hitarika any amin’ny kolikoly eo amin’ny seha-piasana rehetra, ny dingana rehetra arahina amin’ny fitantanana eo amin’ny fandraharahana
  • Mametraka ny fepetra ilaina hisorohana ny karazana kolikoly
  • Mamporisika ny olom-pirenena hiasa am-pahitsiana, ohatra amin’ny alalàn’ny fehezam-pitsipika ara-pitondran-tena (na “codes d’éthique”), ny famantarana manokana mikasika ny fanajana ny fitsipika sy ny adidy (na “labels de probité”)


III- Ny fanadihadiana

Afaka manao ireto asa manaraka ireto ny BIANCO :

  • Manao fanadihadiana ireo trangana kolikoly amin’ny alalàn’ny fitarainana mikasika kolikoly, na dia tsy mitonona anarana aza ny mpitaraina
  • Mamory sy mampirina ny fanambaram-pananana ataon’ny tompon’andraikitra ambony
  • Mametraka any amin’ny tribonaly ny vokatry ny fanadihadiany mahakasika kolikoly

Mahaleo tena na amin’ny asany na amin’ny fitantanana ny BIANCO. Eto Antananarivo no misy ny foiben’ny BIANCO ary manana tale jeneraly sy sampana eny anivon’ny vondrom-bahoakam-paritra izy, izay any amin’ny faritany.

Ny Komity miaro ny fahitsiana (CSI)

TsyCoolKoly CSIEo ambany fiahian’ny fiadidian’ny repoblika ny Filan-kevitra ambony miady amin’ny kolikoly (CSLCC) izay niova ho Komity miaro ny fahitsina (CSI) tamin’ny 2006. Ny CSI dia natao hampandroso ny sehatra atao hoe “Fahitsian’ny fanjakana” ao anatin’ny programam-pirenena ho an’ny fanjakana tsara tantana, amin’ny alalàn’ny Rafitra nasionaly ho an’ny fahitsiana (SNI). Singa telo no mamaritra ny SNI : ady amin’ny kolikoly, fanjakana tan-dalàna sy zon’olombelona.

Manolotra soso-kevitra sy miara-dalana amin’ny BIANCO ny CSI amin’ny fanatanterahana ny politika iadiana amin’ny kolikoly.

Ny fitsarana ady heloka mikasika ny kolikoly (CPAC)

Sampam-pitsarana tokana eo anivon’ny ministeran’ny Fitsarana, natao hikirakira ny atonta-taratasy mikasika kolikoly : fikarohana ny fandikan-dalàna (na “police judiciaire”) – fampanoavana (na “parquet”) – famotorana (na “instruction”) – fitsarana ambaratonga voalohany – fitsarana ambony (na “appel”). Hiova ho vondrona iadiana amin’ny kolikoly (na “pôle anti-corruption”) izy atsy ho atsy. Mitovy fahefana amin’ny tribonaly ambaratonga voalohany eto Antananarivo izy.

Ny fahafainganana sy ny fanomezana ohatra tsara ary ny fanajana ny zon’olombelona amin’ny ady amin’ny kolikoly no tanjon’ny CPAC.

I- Asa sy fahefana

Fanadihadiana savaranonando, famotorana sy fitsarana :

• Asa ataon’ireo mpisehatra izay efa sahaniny any amin’ny sampan’asa niaviany • Tatitra tsy maintsy ataon’ny mpiandraikitra ny fikarohana ny fandikan-dalàna any amin’ny lehibeny.

Hatramin’ny nijoroan’ny BIANCO, tsy tokony ho anjaran’ny mpiandraikitra ny fikarohana ny fandikan-dalàna intsony ny manao fanadihadiana savaranonando, mba hahafahan’izy ireo mifototra be be kokoa amin’ny fanatanterahana ny asa mifandray amin’ny famindram-pahefan’ny mpitsara (na “commission rogatoire”) sy amin’ny famenoana ny angom-baovao.

II- Firafitra

• Mpiandraikitra ny fikarohana ny fandikan-dalàna (ny zandarimariam-pirenena sy ny polisim-pirenena) • Mpitsara mpanatanteraka ny lalàna sy ny ao amin’ny fampanoavana eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany eto Antananarivo • Mpitsara mpanatanteraka ny lalàna sy ny mpitsara ao amin’ny lehiben’ny fampanoavana (na « parquet général ») eo anivon’ny Fitsarana ambony eto Antananarivo (na « Cour d’appel d’Antananarivo »)

III- Teti-bola

• Ny taom-piasana voalohany : zakain’ny CSLCC afatsy ny karaman’ny mpiasa (an’ny ministera mpiahy isanisany). • Taom-piasana faharoa : iandraiketan’ny ministera mpiahy isanisany • Ny sora-bola ho an’ny fampiasam-bola : famatsiam-bola avy amin’ny fanjakana sy ny fanampian’ny mpamatsy vola

Ny SAMIFIN na Sampandrahara Malagasy Iadiana amin’ny Famotsiam-bola

SamifinSampan-draharaham-panjakana niorina tamin’ny 2008 ny SAMIFIN. Mandray sy mikirarakira ny fanambarana hetsika tsy mazava izy ary mampita tatitra any amin’ny fampanoavana raha toa ka misy singa azo antoka ahafantarana fa misy famotsiam-bola io hetsika io.

Tsy manam-pahefana hanao fikarohana ny fandikan-dalàna (na “police judiciaire”) izy, saingy afaka mahazo malalaka ny angom-baovao any amin’ny sampana nanambara ny hetsika tsy mazava sy any amin’ny manam-pahefam-panjakana. Araka izany, afaka manakana ny fanatanterahana hetsika ahiana hisy famotsiam-bola izy.

Manan-jo sy adidy ny fiarahamonim-pirenena :

  • Hitory sy hampahafantatra ny voka-dratsin’ny kolikoly amin’ny sehatra rehetra;
  • Hanamafy nysoa toavina eo amin’ny fiarahamonina amin’ny alalàn’ny fanabeazana ny olom-pirenena;
  • Hanatanteraka tetik’asa iadiana amin’ny kolikoly eo amin’ny sehatra samihafa mba hamporisihana ny fandavana io fomba fanao io;
  • Hamporisika ny mponina hanara-maso amin’ny maha-olom-pirenena azy ireo sy handresy lahatra mikasika ny fiainam-piarahamonina.