Inona ny kolikoly ?

Inona ny kolikoly ? 2017-07-26T09:39:24+00:00

Amin’ny ankapobeny, ny kolikoly dia izay rehetra mifandraika amin’ny fampiasana tsy amin’ny tokony ho izy na ny fangalaram-pahefana hahazoana tombontsoa manokana. Ka izay rehetra manam-pahefana hanapa-kevitra ary mampiasa izany hamiliviliana ny fizotran’ny raharaha iray mba hahazoana vola na tombontsoa hafa, dia manao kolikoly. Na izany aza anefa, tsy misy famaritana iombonan’izao tontolo izao sady feno mikasika ny kolikoly. Satria tokoa ny tontolo politika, ny tantara sy ny kolontsaina no mamolavola ny hevitra fonosin’ny atao hoe kolikoly. Noho izany, miovaova araky ny faritra eto amin’izao tontolo izao sy araky ny fotoana ny famaritana ny fanaovana kolikoly.


Fomba fandikana ny atao hoe kolikoly

Maro samihafa ny lasitra ahafahana mikirakira ny dikan’ny hoe kolikoly :

  • Eo amin’ny fihavian’ny teny raha ny teny frantsay no jerena, ny matoateny hoe « corrompre » dia avy amin’ny teny latina « corrumpere », midika hoe mihasimba, na ara-batana io na ara-tsaina, manimba. Mifandray tanteraka amin’ny fenitra sy ny soa toavina ananan’ny tsirairay na ny vondron’olona izany ary milaza ny fahapotehan’ny fahitsina sy ny soa iombonana ara-moraly. Mety miovaova izany io famaritana io arakaraky ny fahazoan’ny toerana samihafa ny atao hoe « tsara » na « ratsy ». Fomba fanao any amin’ny firenena maro, ohatra, ny manolotra « fanomezana » ho an’ny mpiasam-panjakana mba ho fisaorana azy. Lazaina fa karazana kolikoly izany any amin’ny firenen-kafa.
  • Eo amin’ny lafin’ny lalàna, ny fandikan-dalàna voalaza fa kolikoly, araky ny lalàna sy fitsipi-dalàn’ny firenena iray, ihany no azo anenjehana. Ny fanodinkodinam-bola ataon’ny tompon’andraiki-panjakana, ny hosoka sy ny fakana vola an-keriny no tena resahin’ny lalàna. Na izany, mety misy karazana kolikoly tsy voalazan’ny famaritana miorina tanteraka amin’ny lalàna, toy ny fanomezan-danja ny havana sy ny namana, ny fiangarana olona na vondrona iray na maro, ny fanararaotam-pahefana. Tsy voafaritry ny lalàna na tsy mazava tsara ny famaritana ao amin’ny lalàna ireo toe-javatra ireo.
  • Raha ny fahaiza-mitantana kosa no jerena, mamaritra ny kolikoly miankina amin’ny toetra marefon’ireo andrim-panjakana sy ny rafitra isankarazany izy. Noho izany, ny kolikoly dia fisehoan’ny tsy fahaiza-mitantana, indrindra amin’ny tsy fisian’ny tamberin’andraikitra, ny mangarahara sy ny fahitsiana. Ao ihany koa ny fanaovana ampihimamba sy ny fahafahana ananan’ireo mpanapa-kevitra.

Ny famaritana sasany dia mametra ny kolikoly ho eo amin’ny sehatr’asam-panjakana, raha ny hafa kosa miaiky fa ny fangalaram-pahefana dia miantraika ihany koa any amin’ny sehatra tsy miankina.


Toetoetry ny kolikoly

Miavaka amin’ny kolikoly manome ny kolikoly mandray izay andraisana fanomezana, vola na tombontsoa. Ny kolikoly manome kosa dia mifandray amin’ny fanomezana na fitakiana vola na tombontsoa ho an’ny servisy anankiray nomena izay mila izany. Mety hifandimby toerana ireo karazana mpisehatra arakaraky ny zava-misy. Ny olona manao tsolotra, izany hoe ny mandoa vola hahazoana servisy, dia mety ho mpandray anjara mivantana amin’ny fanaovana kolikoly, raha toa ka manapa-kevitra ny hampanaiky tompon’andraikitra handray tsolotra izy. Mety ihany koa ho mpandray anjara tsy mivantana izy raha toa ka izy no itakiana tsolotra. Misy ihany koa ny kolikoly mangingina. Tsy inona izany fa ny tsy fanatanterahan’ny mpiasam-panjakana ny adidiny hanome ny servisy izay ilain’ny olona amin’ny raharaham-panjakana. Anisan’ny kolikoly mangingina, ohatra, ny tsy fiasan’ny mpampianatra karamain’ny fanjakana.
Ny kolikoly mpiseho tsindraindray, antsoina matetika hoe « kolikoly madinika », dia miavaka ihany koa amin’ny kolikoly mahazo ny rafitra isankarazany na « kolikoly vaventy ».

Mitaky tsolotra kely na fandoavam-bola hanamorana ny fahazoana servisy eny anivon’ny sampandraharam-panjakana ny kolikoly madinika. Mihanaka aty amin’ny tany an-dalam-pandrosoana io karazana kolikoly io. Ka na kely aza ny vola aloa, miantraika betsaka any amin’ny sokajin’olona tena sahirana sy ny tena marefo izany. Ho an’ireo olona ireo mantsy, manohintohina ny andavanandrony ny fandoavana io vola io.
Ny kolikoly vaventy kosa dia mitaky vola be ary mazàna no misy tompon’andraikitra sy mpanapa-kevitra ambony tafiditra amin’izany, na eo anivon’ny fanjakana io na amin’ny sehatra tsy miankina. Ity karazany iray ity dia mamaritra ny kolikoly izay tafiditra tanteraka ao amin’ny sehatry ny toekarena, ny sosialy sy ny politikan’ny firenena iray, ka izy no toa masi-mandidy amin’ny andrim-panjakana sy ny fandraharahana isankarazany. Araka izany, vondron’olona no manodinkodina ireo andrim-panjakana sy fandraharahana ireo. Ny mpanapa-kevitra ara-politika kosa manao na mampihatra lalàna ho an’ny tombontsoan’izy ireo na ho azy ireo manokana.

Ireto ny karazana kolikoly tena mihanaka :

Karazany Fisehony
Ny tsolotra na kolikoly Vola aloa amin’ny mpiasam-panjakana mazàna, mba hahazoana tombontsoa na servisy haingana, nefa tafiditra ao anatin’ny asan’izy ireo ny fanatanterahana an’izany (tsolotra na kolikoly). Ohatra, eo amin’ny fanamboarana karapanondro, ny fahazoan-dalana hamily fiara, ny famoahana entana eny amin’ny fadin-tseranana…
Ny ampaham-bola aloa any ambadimbadika Karazana kolikoly io saingy aloa aorian’ny fahazoana tsena ny vola, fa tsy alohan’izay. Noho izany, ny mpandraharaha tsy miankina te-hahazo tsenam-panjakana dia mampanantena mpiasam-panjakana fa handoa ampaham-bola raha vao mahazo ilay tsena. Matetika no miaro tena ny mpandraharaha fa tsy manohintohina ny fanapahan-kevitra ny fandoavana io vola io, satria tsy aloa izany raha tsy azo ny tsena, na dia efa nisy fampanantenana natao mialoha aza.
Ny fanomezana Karazana tsolotra tsy aloa vola na ampaham-bola any ambadimbadika any, ary indraindray raisina ho toy ny fahafaliam-po, toy izay ho toy ny fanerena hahazoana servisy na tsena. Noho izany, tsy mbola tafiditra ao anatin’ny lalàna ny fanenjehana ny fanomezana, na dia mety ho tombanana ho lafo be aza izany.
Ny fakana vola tsy ara-dalàna Hetra na sarana servisy nalaina tsy ara-dalàna. Hita io tranga io rehefa mitaky hetra na sarany ny mpiasam-panjakana nefa tsy ananany fahefana ara-dalàna ny amin’izany. Raisina ho toy ny kolikoly io karazana iray io.
Ny fifanolanan’ny tombontsoa manokana amin’ny asa Mitranga io rehefa misy olona mandray anjara amin’ny asa maro mifandray tendro, ka mampitanila ny fandraisana fanapahan-kevitra. Ohatra, misy ny fifangaroana tombontsoa rehefa manome tsenam-panjakana ho an’ny orinasany ny mpiasam-panjakana iray. Amin’io tranga io, tsy tokony afaka handray anjara amin’io tsena io ny orinasany.
Ny hosoka Hetra na sandan’ny servisy alaina tsy amin’ny ara-dalàna. Mitranga izany rehefa mampandoa hetra na saran’ny servisy ny mpiasam-panjakana nefa tsy manam-pahefana ny amin’izany. Mitovitovy amin’ny fandraisana tsolotra io tranga io.
Ny fanomezan-danja ny fianakaviana Ny fanomezan-danja ny ao anatin’ny fianakaviana amin’ny fandraisana mpiasa, izay mamery ireo tokony hahazo an’izany.
Ny firaisana tsikombakomba na « collusion » Fifanarahana eo amin’ny antoko roa na maro efa misain-dratsy handiso ny lalana tokony harahina. Karazana iray amin’izany ny fanomezana atontan-kevitra sy atontan’isa voarakitra ho tsiambaratelo, mba hahafahan’ny mpandraharaha iray mahazo tsena.
Ny fanodinkodinam-bola Ny hala-bola na fitaovana ataon’ny mpiasa iray
Ny famotsiam-bola Mahakasika ny fifamoivoizan’ny vola azo tsy ara-dalàna, ary ny tetika natao hanadiovana an’izany. Anisan’ny famotsiam-bola ihany koa ny fandefasana vola vahiny tsy ara-dalàna izay natao hialana amin’ny fanaraha-maso sy/na ny fitsirihana ataon’ny sampan-draharahan’ny hetra eo an-toerana.

Ahoana no fandrefesana ny kolikoly ?

Tena sarotra ny mandrefy ny kolikoly satria hetsika natao ankiafinafina izy. Tsy misy fenitra iraisam-pirenena eken’ny rehetra amin’ny fandrefesana ny kolikoly. Ary vitsy ireo amboaran’atontan’isa azo ekena ka milaza ny tena fisehon’ny kolikoly. Tena zava-dehibe anefa ireo angom-baovao ireo amin’ny fitiliana ny programa hiadiana amin’ny kolikoly. Ny tahan’ny fahitan’ny olona ny kolikoly na “Indice de perception de la corruption” (IPC) arafitra sy havaozin’ny Transparency international isan-taona no fandrefesana ampiasain’ny besinimaro. Anasokajiana ny firenena io taha io, arakaraky ny haben’ny kolikoly tsapan’ny olona eny anivon’ny fanjakana, ny tontolon’ny mpanao politika. Natao ho an’ireo firenena tena mahitsy ny naoty 10 ary 0 kosa ny an’izay tena be kolikoly.

Loharanom-baovao Tondro fandrefesana ny kolikoly Tranonkala
Economist Intelligence Unit (EIU) Ny kolikoly eo anivon’ny governemanta sy ny mpiasam-panjakana. www.eiu.com
World Economic Forum Global Competitiveness Survey (GCS)
  • Ny fahatokisan’ny olom-pirenena ny mpanao politika
  • Fanodikondinam-bolam-panjakana
  • Fandoavam-bola tsy ara-dalàna : fanondranana sy fanafarana entana
  • Fandoavam-bola tsy ara-dalàna: servisim-panjakana
  • Fandoavam-bola tsy ara-dalàna : fitakiana ny hetra
  • Fandoavam-bola tsy ara-dalàna : fifanarahana amin’ny fanjakana
  • Fandoavam-bola tsy ara-dalàna : fanapahan-kevitra eo anivon’ny fitsarana
  • Fampiasana ny fanjakana ho an’ny tombontsoan’olom-bitsy na orinasa
www.weforum.org
Gallup World Poll (GWP) Moa ve ny kolikoly mihanaka eo anivon’ny governemanta ? www.gallupworldpoll.com
Institutional Profiles Database (IPD)
  • Ny fotoana itrangan’ny kolikoly madinika eo amin’ny sampandraharaham-panjakana sy ny olom-pirenena
  • Ny fotoana itrangan’ny kolikoly eo amin’ny sampandraharam-panjakana sy ny orinasa eo an-toerana
  • Ny fotoana itrangan’ny kolikoly eo amin’ny sampandran-draharaham-panjakana sy ny orinasa vahiny
  • PRS
  • Ny kolikoly
www.cepii.fr
Banque africaine de développement (BAD) (Policy and Institutional Assessment) Mangarahara, tamberin’andraikitra sy kolikoly eo amin’ny fanjakana http://cpia.afdb.org
Afrobaromètre (AFR) Tetik’asam-pikarohana tsy momba ny atsy na ny aroa ny Afrobaromètre ary manao tombana ny tontolo sosialy, politika sy toekarena aty Afrika.
  • Araka ny hevitrao, firy ny mpitondra voafidy (solombavambahoaka) tafiditra anatin’ny kolikoly ?
  • Araka ny hevitrao, firy ny mpitsara manao kolikoly ?
  • Araka ny hevitrao, firy ny mpiasam-panjakana manao kolikoly ?
  • Araka ny hevitrao, firy ny mpiasan’ny fadin-tseranana sy ny an’ny hetra tafiditra anaty kolikoly ?
http://afrobarometer.org/fr
Global Insight Business Conditions and Risk Indicators (WMO)
  • Ny kolikoly : ny fanombanana ny fitsofotsofohan’ny mpitondra amin’ny raharaham-panjakana
  • Ny haben’ny atontan-taratasim-panjakana ilaina sy ny mety hifanenana amin’ny mpiasam-panjakana mpanao kolikoly
www.globalinsight.com
Asian Development Bank (ASD) Country Policy and Institutional Assessments Mangaraharaha, tamberin’andraikitra sy kolikoly eo amin’ny seha-panjakana www.adb.org
Business Enterprise Environment Survey (BPS)
  • Tranga fahita matetika ve ny tsy maintsy andoavan’ny orinasa vola amboniny mba hampandeha ny raharahan’izy ireo ?
  • Firy isanjaton’ny vola maty amin’ny varotra ataon’ny orinasa isan-taona no atokana ho an’ny fandoavam-bola tsy ara-dalàna ho an’ny mpiasam-panjakana ?
  • Isaky ny fotoana inona no mandoa vola tsy ara-dalàna ny orinasa rehefa mandoa ny hetrany na ny hetran’ny fadin-tseranana sy ny tokony haloany eny amin’ny fitsarana ?
  • Olana goavana ho an’ny fandrosoan’ny orinasanao ve ny kolikoly ?
http://data.worldbank.org/data-catalog/BEEPS
Bertelsmann Transformation Index (BTI) Tahan’ny fiovana
  • Politika iadiana amin’ny kolikoly
  • Fananjehana ny fanararaotam-pahefana
http://www.bti-project.org/bti-home
Freedom House Countries at the Crossroad (CCR) Ady amin’ny kolikoly sy mangaraharaha http://www.freedomhouse.org/report-types/countries-crossroads
Freedom House (FRH) Kolikoly www.freedomhouse.org
Transparency International Global Corruption Barometer Survey (GCB)
  • Ny fotoana andoavan’ny tokantrano tsolotra
  • Ny fotoana isian’ny kolikoly eo anivon’ny andrim-panjakana : ny antoko politika
  • Ny fotoana isian’ny kolikoly eo amin’ny sampandraham-panjakana : parlemanta/antenimiera mpanao lalàna
  • Ny fotoana isian’ny kolikoly eo amin’ny andrim-panjakana : ny tontolon’ny fanaovan-gazety
  • Ny fotoana isian’ny kolikoly eo amin’ny andrim-panjakana : ny rafitra mampihatra ny lalàna sy ny fitsarana
  • Ny fotoana isian’ny kolikoly eo anivon’ny andrim-panjakana : mpiasam-panjakana
http://www.weforum.org
Global Integrity Index (GII)
  • Sampana miady amin’ny kolikoly
  • Tamberin’andraikitra
https://www.globalintegrity.org
IFAD Rural Sector Performance Assessment (IFD) Tamberin’andraikitra, mangarahara sy kolikoly eny ambanivohitra www.ifad.org
Latinobarometro (LBO) Ny fotoana isian’ny kolikoly www.latinobarometro.org
World Bank Country Policy and Institutional Assessments (PIA) Mangarahara, tamberin’andraikitra sy kolikoly ao amin’nyfanjakana www.worldbank.org
Policital Economic Risk Consultancy Corruption in Asia (PRC) Hatraiza no mampananosarotra ny tontolon’ny fandraharahan’ireo orinasa vahiny ny kolikoly ? www.prsgroup.com
Vanderbilt University Americas Barometer Survey (VAB) Ny fotoana isian’ny kolikoly eo amin’ny mpiasam-panjakana www.lapopsurveys.org