Tao amin’ny Tribunal Administratif Anosy no niseho ny tantara omaly Alatsinainy.
Tonga aho mba hangataka ny voka-pifidianana kaominaly rehetra eto amin’ny Faritanin’Antananarivo. Tsy manana izany ny ato, hoy ny sekretera mpandray olona. naheno ny resaka ny olona iray dia nanaraka ahy nivoaka. Saofera ato aho, hoy izy ary afaka manampy anao.
Saingy mila mandoa vola 50. 000 Ariary ianao. Nisalasala aho nefa te-halala ny antony ihany koa.
tsy manam-bola aho, hoy aho, fa omeo nomerao telefaona dia mihaona isika rahampitso fa hitondra vola aho. Tsy nety nanome ilay olona.
Nentiny tao ambadika kely tao aho ary nasehony olona iray nolazainy fa informaticien. Io no afaka manome anao ny zavatra ilainao, hoy izy. Tonga dia nangataka vola 60.000 Ariary ihany koa io olona io mba hanomezana ahy ny lisitry ny olomboafidy amin’ny kaominina eto @ Faritanin’Antananarivo.
Tsy ny Mpitsara ihany no manao ny ataony fa hatramin’ny saofera sy ny informaticien.
Mirary soa ho anareo hahavita be amin’ity ady atao ity.
Laissez un commentaire