Voatery tsy maintsy nandoa vola mba hahazoana ny « attestation juridique » an’ny tany

Accueil|Voatery tsy maintsy nandoa vola mba hahazoana ny « attestation juridique » an’ny tany
Domaine foncier | Mutation | 240.000 Ar
Date: 18-04-2016 , Analamanga – Antananarivo Renivohitra | Rapport #737

Miarahaba tompoko.

Mikarakara taratasy famindrana izahay, na ny "mutation" avy amin'ny Ray aman-dreny ho amin'ny zanaka.

Rehefa nanao izany teny amin'ny birao misahana izany eny Alasora, milaza izy ireo fa anisan'ny taratasy ilaina ny  ''Attestation juridique" miisa efatra amby roapolo (24) ary roa arivo ariary eo ho eo (2.000 ar) ny saran'ny manao ny anankiray. Naloa izay vola izay, aty nahazoana tapakila fanamarinana fandoavambola na ny "quittance". Rehefa tonga anefa ny fotoana nomeny hakana izany taratasy izany, tsy nomeny avy hatrany fa hoe mbola mila andoavana iray alina ariary (10.000 ariary) isaky ny attestation indray izay vao afaka manome izy ireo. Voatery noho izany, nandoa indray 240.000 ariary amboniny mba hivoahan'ny taratasy. Marihina fa io vola farany io dia tsy ahazoana quittance fa tonga dia omena azy fotsiny.

Le citoyen n’a pas demandé à ce que le rapport soit partagé

Laissez un commentaire