Nanda tsy hando vola tamin’ilay police, nilaza fa mpampanofa fiara hono aho

Accueil|Nanda tsy hando vola tamin’ilay police, nilaza fa mpampanofa fiara hono aho
Police | Circulation | Ar
Date: 19-12-2016 , Atsimo Andrefana – Toliara I | Rapport #1002

Indray andro rehefa hande any Toliara zaho sy ny vady aman-janako. Marihina eto fa ny vadiko dia Allemande, rehefa tonga tao Andatabo akaiky Toliara izahay, ny andro somary efa harivariva. Nosakanan'ny polisy izahay! Nanontany izy hoe: "Aiza ny taratasy ny fiaranao?" Nomeko azy ilay izy. Avy eo izy nijerijery tao anaty fiara. Madamako sy ny zanako amin'io natory. AVy eo niverina tamiko indray ilay polisy dia nilaza, fa mivoaha rangahy. Dia nanontany tsotra aho hoe: " Misy olana ve chef?". Tsy namaly ny fanotaniako izy fa nilaza ihany fa: Mivoaha rangahy?. Tsy nety nivoaka aho! Avy eo izy nilaza fa manao location aho. Namaly azy aho fa TSIA, satria ny vadiko sy ny zanako no entiko. Tsy nanaiky izy fa mbola nilaza foana fa manao Location rangahy. TSIA hoy aho. amin'ny fomba ahoana no hangalako vola amin'ny vady aman-janako. Tezitra izy dia nilaza fa mivoaha say nalainy ny permisko. Mandao sazy se hoy izy. Nilaza aho fa inona no fahadisoako. Tezitra tamiko dia nilaza fa be famaliana hono aho. Adiny iray mahery izahay nifampizitra teo. Farany nitsangana Madamako dia niresaka tamin'ilay polisy fa inona no miseho? Izaho anie vadiny, ary ireo zaza ireo zanakanay e! Inona no olana amin'izany? Tsy afaka mandeha amin'ny fiaranay ve izahay? Moa ve tsy ara-dalana ny taratasy rehetra? Aradalana ka hoy ilay polisy, fa NY VADINAO BE FAMALIANA. Izay no nolazainy indray. Tsy nilaza izy fa manao location aho rehefa tonga ny madamako. Tena marina dia nanadrana nanery ahy izy fa handoa vola aminy aho.

Mampalahelo ny mpitandro filaminana eto amintsika. Indrindra amin'iny RN7 iny. Ambony dia ambony ny corruption misy amin'iny lalana iny. Anatin'ny tanana iray dia in-telo voasakana ianao. Ary manandrana mitady izay olana misy aminao izy ireo, ka raha tsy sahy sy mijoro ianao dia amin'ny farany tratran'ny kolikoly. Tsara raha miara-mijoro isika rehetra. TSy MANAIKY NY ZAVATRA ATAON*NY POLISY AMIN'NY FIAFMOIVOIZANA

Le citoyen n’a pas demandé à ce que le rapport soit partagé

Laissez un commentaire