Miarahaba tompoko,
Nitondra croisiériste zaho tamin'ny 14 Mars ho an'ny @ Parc Ivoloina, nosakanan'ny gendarme, nitohizanay ny dia rehefa nalainy ny taratasy ny fiara. Rehefa niverina zahay, saika andeha hanome 10 000 Ar an'ireo gendarme ny chauffeur fa ny iray tsy nanaiky fa efa mitondra vazaha anareo mbola vola kely io no omenareo anay. Ela be ilay chauffeur tany farany nivoaka ny fiara zaho nanontany sady nanantona fa tsy maintsy miditra anaty sambo @ 13 h30 ny croisiéristes.Véhiculenareo madame VP hoy ilay iray. Ka efa niteny taminao zaho fa croisiéristes no entiko. Mahazo mitondra croisiéristes ny VP na VL et Tamatave fa tsy ampy ny VL et efa tapaka ny fivoriana niaraka t@ autorités io taloha. Mbola tsy nahzo texte an'izany zaho hoy izy. Nosakanan-jareo daholo ny fiara nampiasain'ny Tour operator n'ny Tamatave rehetra nandeha tany Ivoloina. Miaritra hafanana amin'ny masoandro izany ny touristes. Ka mangataka fiaraha-miasa aminareo izahay fa ny andron'ny paquebot tsy tokony hamoaka "image" ratsy hoatran'io antsika @ vahiny, olona mandalo indray andro, efa hain-jareo na hafenina fa mila vola ny gendarme. Efa in-3 zaho nosakanan'ny police sy gendarme tamin'ity fotoanam_pikatrohana ity.
Misaotra tompoko!
Laissez un commentaire