Fakana vola an-tsokosoko

Accueil|Fakana vola an-tsokosoko
Gendarmerie | Autre | 5000 Ar
Date: 21-10-2017 , Atsimo Andrefana – Toliara I | Rapport #978

Nanatitra ny taratasy ilaina tamin'ny concours élève gendarme aho. Milamina avokoa ary feno tsara ny taratasy rehetra kanefa tsy noraisiny ny ahy fa misy diso hono. Gaga aho ka nijery tsara ny peta-drindrina. Narahiko maso ny dossier,mitovy. Niverina tao amin'ny birao indray aho fa mbola misy diso ihany hoy ilay gendarme mpandray ny dossier. Inona hoy aho no diso? Ny demande manuscrite no diso hoy izy. Norefisko tsara tsy misy mihoatra na dia kely aza ny marge. Olona iray hanatitra dossier hafa no niteny tamiko: ampanoraty ny iray amin'ireo gendarme ireo ny anao ka manomeza vola fa raha tsy izany dia tsy ho voaray mihitsy ny taratasinao. Nataoko izany ary naloako ny vola dia nateriko ka voaray soa aman-tsara.

Le citoyen n’a pas demandé à ce que le rapport soit partagé

Laissez un commentaire