Niazo ny lalana by-pass izahay ka vaky tampoka ny moto nentinay io Alahady maraina io ka voatery natosika, nesorin’ny vadiko ny casque nanovany nandritra izany. Raha nandalo ny rond point by-pass&Ankadimbahoaka izahay dia nosakanan’ny polisy. Ka toy izao ny resaka:
Polisy : Aiza ny casque?
Vadiko: ity miantona am moto ity.
Polisy: Tsy hainao ve fa tokony hanao casque foana refa mitondra moto?
Vadiko: za anie tsy mitaingina fa manosika ity moto ity fa vaky pneu e! Fa ngah koa raha manosika moto de tsy maintsy manao casque?
Polisy: Mbola be famaliana koa elà? Aiza ny papier?
Vadiko: Ity sefo.
Polisy: Ary lany assurance koa ity moto ity an! Sady tsy ara-dalana ny taratasin’ny moto entin’ialahy no mbola be famaliana koa ela. Any amin’ny poste elà maka ity papier ity.
Vadiko: Fa aona e! za anie tsy mitaingina fa manosika e! Sady assurance 1taona anie io e, vao tam 07/16 teo iny assurance iny, mbola am 07/17 vao lany, koa lany aona?
Polisy: Any am poste oa elà maka ity papier ity. Nomeny taratasy ho eny am poste Alasora.
Ilazao aho ry zareo raha mila manao casque refa manosika moto raha vaky pneus toy izao.
Nony teny am poste dia tsy maintsy miandry ny lehibe am fanadihadiana satria nolazain’ilay polisy fa nanopa sy namalivaly azy, hono, ny vadiko.
Marihiko etoana fa ts’isy opa, ts’isy famaliana velively mihitsy.
Nandritra ny fanadihadihana, hoy ny vadiko, dia niverimberina foana ny hoe novalivalianao izy ary nopainao. Nangina aho hoy ny vadiko satria tsy mihaino izay ambarako mitsy ry zareo.
Aona izany hakarinay ity raharaha ity sa aona? Aona aona manao akory hoy moa ny vadiko tamin-dry zareo? Zay tianareo ihany hoy ny vadiko namaly, fa ianareo no mahalala izay tokony hatao.
Tsy ho tafavoaka am ity raharaha ity elà, hoy ry zareo.
Nony teny an-dalana dia nambaran’ilay polisy niaraka taminy hoe nareo koa anie tsy nametra tam sefo de zao nareo vorebireby aty e! Zavatra tokony ho vita mora nasarotinareo.
De niakatra parquet sy fitsarana am 12/16.
Aiza ho aiza ny fahamarinana dradradradraina lava isanandro vaky io e?
Moa ve heloka ny mametraka fanontaniana sy fangatahana fanazavana ankehitriny?
Tsy afaka ny nijery sy nanamarina ve ilay polisy?
Mahamenatra sy Mampalahelo toetra-tsain’ireo mpitandro filaminana sasany eto amin’ny nosy Madagasikara. Mba Oviana re no Hanjaka ny marina?F’angaha moa rehefa mpitandro Filaminana dia manampatra zay tiany hatao ?Raha vao tsy manao tsolitra dia na ny Marina aza dia resena lahatra.Moa ve zany no ianaran’izy ireo mandritra ny Fiofanana ho Mpitandro ny Filaminana ?
Mba Oviana re vao ho resy ny Kolikoly eto @ ty Madagasikara ty?