Zava-bitan’ny BIANCO

Accueil|Zava-bitan’ny BIANCO
Zava-bitan’ny BIANCO 2017-09-06T09:53:31+03:00

Hifototra betsaka amin’ny fikirakirana ny fitarainana voaray hatramin’ny nisian’ny BIANCO sy araka ny andraik’ity sampan-draharaha ity ny tetik’asa. Tsara ho fantatra fa misy fitarainana tsy mety hanaovana fanadihadiana ka noraisin’ny departemantan’ny fanabeazana sy ny fisorohana ao amin’ny BIANCO. Tsy hita ao amin’ny tranonkala ny atontan’isa mifandraika amin’izany saingy azo jerena ao amin’ny tatitry ny asa vita isan-taona. Ilaina ihany koa ny fandraisana ny teti-bola ho anisan’ny tondro satria natao hanome vokatra ity sampan-draharaha ity. Tsy maintsy tafiditra, araka izany, ny ho enti-manana eo am-pelan-tanana.

Kisarin’ny fitarainana

Maneho amintsika ny fitambaran’ny fitarainana voarain’ny BIANCO (loko manga) isan-taona hatramin’ny nisiany tamin’ny 2004 io kisary io. Tazana ao ny fitarainana mikasika ny kolikoly (loko mavo) ; ny fitarainana mety ahafahana manao fanadihadiana mikasika ny kolikoly (loko maitso) ary ny tsy afaka anaovana izany.
Tsara ho marihina : tsy voatery ho resaka kolikoly no hita anatin’ny fitarainana maro, saingy azo sokajiana ho ady heloka hafa. Izany no mahatonga ny elanelana eo amin’ny isan’ny fitarainana voaray sy ny fitarainana mifandray amin’ny tena kolikoly.

*Loharanom-baovao :
Tatitra isan-taonan’ny asan’ny BIANCO
Drafitr’asa isan-taonan’ny BIANCO
Resadresaka nifanaovana tamin’ny BIANCO

Kisarin’ny teti-bola

*Loharanom-baovao :
Tatitra isan-taonan’ny asan’ny BIANCO
Drafitr’asa isan-taonan’ny BIANCO
Resadresaka nifanaovana tamin’ny BIANCO

Kisarin’ny filazam-pananana

Mampiseho amintsika ny fitambaran’ny filazam-pananana voarain’ny BIANCO ny kisary (loko mavo) miohatra amin’ny isan’ny tokony hanao izany (loko manga).

*Loharanom-baovao :
Tatitra isan-taonan’ny asan’ny BIANCO
Drafitr’asa isan-taonan’ny BIANCO
Resadresaka nifanaovana tamin’ny BIANCO