Maninona no miady amin’ny kolikoly

Accueil|Fantaro ny atao hoe kolikoly|Maninona no miady amin’ny kolikoly
Maninona no miady amin’ny kolikoly 2017-07-26T09:40:15+03:00

Tsy olana ara-môraly na etika fotsiny ny kolikoly fa miteraka fandaniana be. Tombanana ho mihoatry ny 5 isan-jaton’ny harikarena faobe maneran-tany izany na 2,6 miliara dolara, araky ny tarehimariky ny Fihaonam-be ara-toekarena eran-tany (na “Forum économique mondial”). Ny 1 miliara amin’ireo dia tsolotra aloa isan-taona, hoy ny Banky iraisam-pirenena. Fa tsy tombanana eo amin’ny ara-bola fotsiny ny kolikoly, manimba ny fampandrosoana izy. Mampihena ny fahombiazan’ny servisim-panjakana izy, toy izany koa ny kalitaon’ireo servisy ireo. Mitazona ny mponina faran’izay marefo ao anatin’ny fahantrana ny kolikoly, manamafy ny tsy fitoviana ary mampitombo ny sokajin’olona marefo. Miantraika amin’ny fiaraha-monina manontolo ireo olana ireo, satria miorina amin’ny fandrosoan’ny olona (izany hoe, nianatra sy salama tsara) ny fitombon’ny harikarena faobe. Ireto ny anisan’ny voka-dratsin’ny kolikoly :

  • Ny fiahiana tsy mitovy omena ny olona mikasika ny fanabeazana sy ny asa
  • Ny tsy fitoviana eo amin’ny fahazoana fitsaboana, fanabeazana, taratasy mikasika ny fananan-tany, ny fampandrosoana ny orinasa madinika te-hahazo tsenam-panjakana
  • Ny fanodinkodinana sy ny fanararaotana mampihena ny kalitaon’ny servisim-panjakana
  • Ny tsy fitoviana amin’ny fahazoana miditra any amin’ny sekolim-panjakana (ny Sekoly ambony manofana ho an’ny raharaham-panjakana, ny sekoly miaramila…)


Fampandrosoana sy fahantrana

Ny mponina mahantra sy marefo no tena ianjadian’io zava-doza io, araka ny voalazan’ny Fandrefesana maneran-tany momba ny kolikoly (na « Baromètre mondial de la corruption »). Tsy vitan’ny hoe asaina handoa tsolotra izy mba hahazoany servisim-panjakana, toy ny sora-piankohonana, ny rano fisotro madio,… Fa indrindra ihany koa, izy ireo no tsy afa-miaro tena indrindra amin’ireo mpisoloky ary voatery mandoa tsolotra.


Demokrasia

Manimba ny fifampitokisana tokony hisy eo amin’ny mpitondra sy ny vahoaka ny kolikoly. Mety hanome vahana ny tsy fahamarinan-toerana ara-politika sy sosialy izy araka izany. Mampihena ny risi-pon’ny olom-pirenena izy, manimba ny fahaiza-miaina eo anivon’ny fiaraha-monina, ary mikiky ny fototry ny zon’olombelona sy ny demokrasia. Mamparefo ny fifandraisana eo amin’ny mpitondra sy ny entina ny kolikoly, mandrava ny fitokisan’ny mpifidy amin’ny olom-boafidy, mampihena ny maha-izy ny fitondrana misy ary mamparefo ny dingana ho amin’ny demokrasia.
Maro ny fanadihadiana mampiseho fa arakaraky ny haavon’ny fisian’ny kolikoly no mampihena ny fitokisana ny andrim-panjakana. Misy fanadihadiana sasany milaza fa ny firongatry ny fampiharana ny demokrasia no anisan’ny nampitombo ny kolikoly. Amin’ny alalàn’ny fanapariahana ny fahefahana eny am-pelantanan’olona maro, hoy ity teoria na rafi-jery ity, ny demokrasia dia mampiakatra ny tahan’ny fisian’ny kolikoly. Raha marina izany hevitra izany, ho sahirana be amin’ny fitazonana ny fahamarinan-toeran’ny fanjakana ny firenena an-dalam-pandrosoana mbola eo an-dalan’ny demokrasia, raha tsy tena miady amin’ny kolikoly.