Inona moa ny Tsycoolkoly ?

Inona moa ny Tsycoolkoly ? 2017-07-25T08:39:17+03:00

Napetraka ny tetik’asa Tsycoolkoly (TCK) ary manana tanjona handray anjara amin’ny ady amin’ny kolikoly eto Madagasikara. Nisafidy ny hijery akaikikaiky kokoa ny kolikoly mianjady amin’ny ankabeazan’ny mponina andavanandro ny tetik’asa, amin’ny alalàn’ny famporisihana ireo niharan’izany mba hijoro vavolombelona.


Ahoana no fomba fiasa ?

Tazonin’i TsyCoolKoly ho tsiambaratelo hatrany ny mombamomba an’ireo mpiserasera eto ka tafiditra amin’izany ny anarany sy fanampin’anarany ary ny adiresy mailaka nandefasany tatitra. Tsy misy filazana anarana ny vaovao ampitainay any amin’ny manam-pahefana sy ny haino aman-jery.


Hisy fitoriana ve aorian’ny tatitra atao eto ?

Tsy tanjon’i TCK ny hametraka fitoriana ka hanenjika na hamporisika ny manam-pahefana hanenjika ireo mpanao kolikoly.


Inona no mety ho vokatry ny fisian’i TsyCoolKoly ?

Ny fampiasantsika an’i TsyCoolKoly dia ahafahantsika manova ny fomba fiatrehan’ny olom-pirenena ny kolikoly ka handa izany sy hitatitra izay nihatra taminy. Ahafahantsika mamantatra ireo endrika sy sehatra tena isehoan’ny kolikoly matetika indrindra ny tatitra atao eto sy mampita izany fahalalana izany amin’ny besinimaro sy ny manam-pahefana ary ny haino aman-jery. Ny fisian’ny fiaraha-midinika momba an’io olana atrehan’ny ankamaroan’ny Malagasy io dia ahafahantsika mitaky amin’ny manam-pahefana mba hanamafisany ny ady amin’ny kolikoly sy ny ezaka fanentanana ho amin’ny fahitsiana.


Fanampim-panazavana momba ny tetikasa

Mandray anjara amin’ny ady amin’ny kolikoly eto Madagasikara ny tetik’asa Tsycoolkoly (TCK) amin’ny alalàn’ny famporisihana ny fanaovana fitoriana ampahibemaso ny kolikoly iainana andavanandro eto amin’ny firenena.
Ahafahana mijoro vavolombelona amin’ny fomba haingana sady tsy mampivezivezy ity tambazotra amin’ny tranonkala ity. Ahazoana ny angom-baovao sy fanaovana tombana ny fanekena sy ny asa ataon’ny orinasa hiady amin’io loza mamohehatra io ihany koa.
Nahazo fanampiana ara-bola sy ara-teknika avy amin’ny PNUD ny TCK. Manohana azy koa ny programa Dinika an’ny Vondrona eoropeanina sy ny programa “Tetik’asa vaovaon’ny fiarahamonim-pirenena sy ny fivondronan’ny mpisehatra” (PISCCA) izay an’ny masoivoho frantsay