Paik’ady iadiana amin’ny kolikoly sy fehezan-dalàna malagasy

Accueil|Fantaro ny atao hoe kolikoly|Paik’ady iadiana amin’ny kolikoly sy fehezan-dalàna malagasy
Paik’ady iadiana amin’ny kolikoly sy fehezan-dalàna malagasy 2017-07-26T09:41:49+03:00

Misy fandrosoana vitsivitsy tsara soritana ny ady amin’ny kolikoly teto Madagasikara nanomboka tamin’ny 2004 ka hatramin’ny 2009. Hita taratra izany tamin’ny fandaniana ny fehezan-dalàna, ny paik’adim-pirenena, ny fametrahana ireo rantsa-mangaika voatokana ho amin’izany : ny Komity miaro ny fahitsiana (CSI), ny BIANCO, ny fitsarana ady heloka iadiana amin’ny kolikoly.


Lalàna mikasika ny ady amin’ny kolikoly

Navoitra tamin’ny fandaniana ny lalàna n°2016-020 tamin’ny 05 aogositra 2016 mikasika ny ady amin’ny kolikoly, ny tokony hanitsiana ny lalàna efa nisy ary natao izany mba hifanaraka amin’ny zava-misy sy ny fivoaran’ny tontolo voakasik’io olana io.

Mitatra amin’ireto karazana kolikoly ireto io lalàna io :

Karazana Fisehony
Kolikoly manome Rehefa olona manolotra tombontsoa tsy ara-dalàna ho an’ny mpiasam-panjakana na ho an’ny olom-boafidy mba hanaovany na tsy hanatanterahan’izy ireo asa mahakasika ny andraikiny.
Kolikoly mandray *eo amin’ny seha-panjakana : rehefa mpiasam-panjakana na olom-boafidy mitaky na manaiky avy amin’ny olona, tombontsoa tsy ara-dalàna mba hanatanterahany na tsia asa mahakasika ny andraikiny

*ao amin’ny sehatra tsy miankina : Rehefa mpandraharaha mitaky sy manaiky tombontsoa tsy ara-dalàna mba hanatanterahany na tsia asa mahakasika ny andraikiny

Fandraisam-bola tsy ara-dalàna (na « concussion ») Rehefa olona manana andraiki-panjakana na voatendry hanao servisim-panjakana ka mandray vola tsy tokony horaisiny.
Fanafoanana haba sy fampidirana entana tsy ara-dalàna Rehefa olona manana andraiki-panjakana na voatendry hanao servisim-panjakana ka manafoana tsy ara-dalàna ny sarany sy ny hetra tokony haloa.
Fanaovana asa voararan’ny lalàna Ny mpiasam-panjakana voatendry hanara-maso sy hanolo-kevitra orinasa tsy miankina, nefa mitazona andraikitra sosialy na asa andraisan-karama ao rehefa nahavita ny asa nampanaovin’ny fanjakana azy tao amin’io orinasa io.
Fandraisana tombontsoa tsy mazava Ny mpiasam-panjakana na olom-boafidy manararaotra ny toerany mba handraisana na hitazonana tombontsoa ao amin’ny orinasa iray na amin’ny hetsika iray izay iandraiketany na efa niandraiketany ny fanaraha-maso sy ny fitantanana azy.
Fanararaotana amin’ny fisahanana Ny mpiasam-panjakana manao zavatra tsy ara-dalàna hahazoana tombontsoa tsy natao ho azy.
Fanararaotana fahafantarana olona Rehefa olona manararaotra manodinkodinana ny fahefana ananany na eritreretiny ananany mba hahazoana fanapahan-kevitra mety aminy avy amin’ny tompon’andraiki-pahefana na ny sampandraharaham-panjakana. Na ny mpanodinkodim-pahefana na ny mpanera dia samy voasazy daholo.
Varotra tsy mifanaraka amin’ny asa Ny mpiasam-panjakana manam-pahefana izay mivarotra entana ilaina andavanandro, divay, zava-pisotro ao amin’ny vondrom-paritra iasany.
Fitomboan-karena tsy ara-dalàna Ny mpiasam-panjakana na ny olom-boafidy tsy afa-manazava ny hareny nitombo betsaka miohatra amin’ny fidiram-bolany ara-dalàna. Ny mitazona ny vokatr’ireo harena ireo dia voasazy ihany koa.
Fanaovana fitorohana tsy mitombina Ny fanendrikendrehana olona nanao kolikoly nefa fantatra mazava fa tsy nisy izany.
Fanomezana tsy ara-dalàna Ny mpiasam-panjakana mandray fanomezana na tombontsoa mety hanohintohina ny fanapahan-kevitra raisiny izay mifandray amin’ny asany.
Fifanolanan’ny tombontsoa manokana amin’ny asa Ny mpiasam-panjakana na ny tompon’andraiki-pahefana tsy manambara ny tombontsoa manokany izay mifandray tendro amin’ny tombontsoa iombonana, ka mety hanohintohina ny fanapaha-keviny.
Fanodinkodinam-bola na fananana iombonana Fampiasam-bola tsy ara-dalàna izay an’ny vondrom-paritra mba ho an’ny zavatra hafa ankoatry ny soa iombonana.
Fanararaotana amin’ny fampiasana ny fananana iombonana Fampiasana fananana na vola mifanohitra amin’ny soa iombonana, izany hoe ho an’ny tombontsoa manokana mahakasika ny ara-pitaovana na ara-môraly, na koa hanomezana tombon-dahiny ny olona iray, izay ananany tombontsoa mivantana na tsia.
Mikasika ny filazam-pananana Ny famborahana ny filazam-panana izay tsiambaratelo;

Ny tsy fanaovana fanambaram-pananana :

  • Na inona na inona filaharany na asany, voakasika daholo ny mpitsara rehetra eny anivon’ny fitsarana, ny sampam-pitsarana ho an’ny ady amin’ny fanjakana sy ny sampam-pitsarana ara-bola ;
  • Ny filohan’ny faritany, ny kaomisera jeneralin’ny faritany, ny solontenam-panjakana any amin’ny faritra (na “préfets de région”), ny lehiben’ny faritra, ny lehiben’ny distrika sy ny ben’ny tanàna ;
  • Ny mpiasam-panjakana mitazona andraikitra ambony mitovy na mihoatra ny an’ny talen’ny ministera ;
  • Ny mpikambana ao amin’ny vondrom-piasam-panjakana (administratera, mpanao fisafoana na « inspecteurs », ny kaomisera eny anivon’ny sampandraharam-panjakana) ;
  • Ny lehiben’antoko miaramila ambonin’ny kaompania ;
  • Ny mpanao fisafoana ao amin’ny Fisafoana ankapoben’ny fanjakana na (“inspecteurs de l’Inspection Générale de l’Etat »), ny an’ny Fisafoana ankapoben’ny Foloalin-dahy malagasy (na “Inspection Générale de l’Armée Malagasy ») ary ny an’ny Fisafoana ankapoben’ny zandarimariam-pirenena (na “Inspection Générale de la Gendarmerie Nationale”) ;
  • Ny olona rehetra manana andraikitra ao amin’ny polisy ara-toekarena sy ny polisin’ny fitsarana, izany hoe ireo afaka manao fikarohana ny fandikan-dalàna (na « police judiciaire ») ;
  • Ny olona rehetra manana andraikitra mikasika ny fitantanam-bolam-panjakana sy ny kaontim-bolam-panjakana ;
  • Ny mpitantana ao amin’ny toeram-piasam-panjakana sy ny orinasa ananan’ny fanjakana petra-bola
Fanomezana tombon-dahiny Ny fanomezana tombon-dahiny tsy ara-drariny na tsy ara-dalàna ho an’olona iray.

Ny vokatry ny fandikan-dalàna mikasika ny kolikoly

Manambara ny lalàna fa ny vola sy ny fananana rehetra azo tsy ara-dalàna ary avy amin’ny kolikoly, dia azo giazina na tsy ahetsika, na koa alaina amin’ny alalàn’ny fanapahan-kevitra avoakan’ny fitsarana. Tsy manan-kery ny fifanarahana sy ny fanomezan-dalana isankarazany (“licence”, “permis”, na “autorisation”) azo avy amin’ny kolikoly. Ny orinasa manana fifanarahana na tompon’ny fahazoan-dalana samihafa azo avy amin’ny kolikoly, dia tsy afa-mandray anjara amin’ny tsenam-baro-panjakana.

Nandany ireto lalàna mikasika ny kolikoly ireto Madagasikara :

  • Lalàna n°61 ;026 tamin’ny 09 oktobra 1961, milaza ny andinindininy manokana ho fanenjehana ara-tsipi-pifehezana (na “ répression disciplinaire”) ho an’ny fanodinkodinam-bolam-panjakana nataona mpiasam-panjakana, mpiasam-panjakana ambony sy ny mpiasa tsy raikitra miasa ho an’ny servisim-panjakana. Lalàna izay novain’ny didim-pitondrana n° 72.024 tamin’ny 18 septambra 1972 mikasika ny fanenjehana ny fandraisam-bola tsy ara-dalàna (na « concussion ») amin’ny fanomezana servisim-panjakana, ny kolikoly sy ny fanodinkodinam-pahefana na « trafic d’influence »
  • Lalàna n°2004-009 tamin’ny 26 jolay 2004 mikasika ny Fehezan-dalàna ho an’ny tsenam-panjakana
  • Ny didim-panjakana n°2004-937 tamin’ny 05 oktobra 2004 mikasika ny famoronana ny Birao mahaleo tena iadiana amin’ny kolikoly
  • Ny didim-panjakana n°2004-982 manova sy manampy ny didim-panjakana n°2004-1128 mikasika ny Filan-kevitra ambony mikasika ny ady amin’ny kolikoly
  • Ny didim-panjakana n°2004-983 manova sy manampy ny didim-panjakana n°2002-1127 mametraka ny tsy maintsy anaovana filazam-pananana ho an’ny sokajy sasany amin’ireo tompon’andraikitra sy ny mpiasam-panjakana ambony
  • Lalàna n°2004-020 mikasika ny famotsiam-bola, ny fitsirihana, ny fisintonana an-keriny, ny fiara-mitsikombakomba iraisam-pirenena ho an’ny vokatra azo avy amin’ny heloka
  • Ny didim-panjakana n°2005-086 ho an’ny fametrahana ny sampan-draharaha misahana ny fanangonam-baovao mikasika ny ara-bola, izay manana andraikitra handray, hanadihady sy hikirakira ny fanambarana toe-javatra tsy mazava
  • Lalàna n°2016-021 tamin’ny 22 aogositra 2016 mikasika ny vondrona iadiana amin’ny kolikoly (na « pôles anti-corruption »)

Nanao sonia sy nankatoa ireto fifanarahana iraisam-pirenena manaraka ireto i Madagasikara :

  • Ny fifanarahan’ny Firenena mikambana miady amin’ny kolikoly, nosoniavina tamin’ny 10 desambra 2013 sy nankatoavina tamin’ny 06 oktobra 2014
  • Ny fifanarahan’ny Fiombonam-be afrikanina ho an’ny fisorohana sy ny ady amin’ny kolikoly, nosoniavina tamin’ny 28 febroary 2004 ary nankatoavina tamin’ny 06 oktobra 2004