Amin’ny ankapobeny, ny kolikoly dia izay rehetra mifandraika amin’ny fampiasana tsy amin’ny tokony ho izy na ny fangalaram-pahefana hahazoana tombontsoa manokana. Ka izay rehetra manam-pahefana hanapa-kevitra ary mampiasa izany hamiliviliana ny fizotran’ny raharaha iray mba hahazoana vola na tombontsoa hafa, dia manao kolikoly. Na izany aza anefa, tsy misy famaritana iombonan’izao tontolo izao sady feno mikasika ny kolikoly. Satria tokoa ny tontolo politika, ny tantara sy ny kolontsaina no mamolavola ny hevitra fonosin’ny atao hoe kolikoly. Noho izany, miovaova araky ny faritra eto amin’izao tontolo izao sy araky ny fotoana ny famaritana ny fanaovana kolikoly.
Fomba fandikana ny atao hoe kolikoly
Maro samihafa ny lasitra ahafahana mikirakira ny dikan’ny hoe kolikoly :
- Eo amin’ny fihavian’ny teny raha ny teny frantsay no jerena, ny matoateny hoe « corrompre » dia avy amin’ny teny latina « corrumpere », midika hoe mihasimba, na ara-batana io na ara-tsaina, manimba. Mifandray tanteraka amin’ny fenitra sy ny soa toavina ananan’ny tsirairay na ny vondron’olona izany ary milaza ny fahapotehan’ny fahitsina sy ny soa iombonana ara-moraly. Mety miovaova izany io famaritana io arakaraky ny fahazoan’ny toerana samihafa ny atao hoe « tsara » na « ratsy ». Fomba fanao any amin’ny firenena maro, ohatra, ny manolotra « fanomezana » ho an’ny mpiasam-panjakana mba ho fisaorana azy. Lazaina fa karazana kolikoly izany any amin’ny firenen-kafa.
- Eo amin’ny lafin’ny lalàna, ny fandikan-dalàna voalaza fa kolikoly, araky ny lalàna sy fitsipi-dalàn’ny firenena iray, ihany no azo anenjehana. Ny fanodinkodinam-bola ataon’ny tompon’andraiki-panjakana, ny hosoka sy ny fakana vola an-keriny no tena resahin’ny lalàna. Na izany, mety misy karazana kolikoly tsy voalazan’ny famaritana miorina tanteraka amin’ny lalàna, toy ny fanomezan-danja ny havana sy ny namana, ny fiangarana olona na vondrona iray na maro, ny fanararaotam-pahefana. Tsy voafaritry ny lalàna na tsy mazava tsara ny famaritana ao amin’ny lalàna ireo toe-javatra ireo.
- Raha ny fahaiza-mitantana kosa no jerena, mamaritra ny kolikoly miankina amin’ny toetra marefon’ireo andrim-panjakana sy ny rafitra isankarazany izy. Noho izany, ny kolikoly dia fisehoan’ny tsy fahaiza-mitantana, indrindra amin’ny tsy fisian’ny tamberin’andraikitra, ny mangarahara sy ny fahitsiana. Ao ihany koa ny fanaovana ampihimamba sy ny fahafahana ananan’ireo mpanapa-kevitra.
Ny famaritana sasany dia mametra ny kolikoly ho eo amin’ny sehatr’asam-panjakana, raha ny hafa kosa miaiky fa ny fangalaram-pahefana dia miantraika ihany koa any amin’ny sehatra tsy miankina.
Toetoetry ny kolikoly
Miavaka amin’ny kolikoly manome ny kolikoly mandray izay andraisana fanomezana, vola na tombontsoa. Ny kolikoly manome kosa dia mifandray amin’ny fanomezana na fitakiana vola na tombontsoa ho an’ny servisy anankiray nomena izay mila izany. Mety hifandimby toerana ireo karazana mpisehatra arakaraky ny zava-misy. Ny olona manao tsolotra, izany hoe ny mandoa vola hahazoana servisy, dia mety ho mpandray anjara mivantana amin’ny fanaovana kolikoly, raha toa ka manapa-kevitra ny hampanaiky tompon’andraikitra handray tsolotra izy. Mety ihany koa ho mpandray anjara tsy mivantana izy raha toa ka izy no itakiana tsolotra. Misy ihany koa ny kolikoly mangingina. Tsy inona izany fa ny tsy fanatanterahan’ny mpiasam-panjakana ny adidiny hanome ny servisy izay ilain’ny olona amin’ny raharaham-panjakana. Anisan’ny kolikoly mangingina, ohatra, ny tsy fiasan’ny mpampianatra karamain’ny fanjakana.
Ny kolikoly mpiseho tsindraindray, antsoina matetika hoe « kolikoly madinika », dia miavaka ihany koa amin’ny kolikoly mahazo ny rafitra isankarazany na « kolikoly vaventy ».
Mitaky tsolotra kely na fandoavam-bola hanamorana ny fahazoana servisy eny anivon’ny sampandraharam-panjakana ny kolikoly madinika. Mihanaka aty amin’ny tany an-dalam-pandrosoana io karazana kolikoly io. Ka na kely aza ny vola aloa, miantraika betsaka any amin’ny sokajin’olona tena sahirana sy ny tena marefo izany. Ho an’ireo olona ireo mantsy, manohintohina ny andavanandrony ny fandoavana io vola io.
Ny kolikoly vaventy kosa dia mitaky vola be ary mazàna no misy tompon’andraikitra sy mpanapa-kevitra ambony tafiditra amin’izany, na eo anivon’ny fanjakana io na amin’ny sehatra tsy miankina. Ity karazany iray ity dia mamaritra ny kolikoly izay tafiditra tanteraka ao amin’ny sehatry ny toekarena, ny sosialy sy ny politikan’ny firenena iray, ka izy no toa masi-mandidy amin’ny andrim-panjakana sy ny fandraharahana isankarazany. Araka izany, vondron’olona no manodinkodina ireo andrim-panjakana sy fandraharahana ireo. Ny mpanapa-kevitra ara-politika kosa manao na mampihatra lalàna ho an’ny tombontsoan’izy ireo na ho azy ireo manokana.
Ireto ny karazana kolikoly tena mihanaka :
Karazany | Fisehony |
---|---|
Ny tsolotra na kolikoly | Vola aloa amin’ny mpiasam-panjakana mazàna, mba hahazoana tombontsoa na servisy haingana, nefa tafiditra ao anatin’ny asan’izy ireo ny fanatanterahana an’izany (tsolotra na kolikoly). Ohatra, eo amin’ny fanamboarana karapanondro, ny fahazoan-dalana hamily fiara, ny famoahana entana eny amin’ny fadin-tseranana… |
Ny ampaham-bola aloa any ambadimbadika | Karazana kolikoly io saingy aloa aorian’ny fahazoana tsena ny vola, fa tsy alohan’izay. Noho izany, ny mpandraharaha tsy miankina te-hahazo tsenam-panjakana dia mampanantena mpiasam-panjakana fa handoa ampaham-bola raha vao mahazo ilay tsena. Matetika no miaro tena ny mpandraharaha fa tsy manohintohina ny fanapahan-kevitra ny fandoavana io vola io, satria tsy aloa izany raha tsy azo ny tsena, na dia efa nisy fampanantenana natao mialoha aza. |
Ny fanomezana | Karazana tsolotra tsy aloa vola na ampaham-bola any ambadimbadika any, ary indraindray raisina ho toy ny fahafaliam-po, toy izay ho toy ny fanerena hahazoana servisy na tsena. Noho izany, tsy mbola tafiditra ao anatin’ny lalàna ny fanenjehana ny fanomezana, na dia mety ho tombanana ho lafo be aza izany. |
Ny fakana vola tsy ara-dalàna | Hetra na sarana servisy nalaina tsy ara-dalàna. Hita io tranga io rehefa mitaky hetra na sarany ny mpiasam-panjakana nefa tsy ananany fahefana ara-dalàna ny amin’izany. Raisina ho toy ny kolikoly io karazana iray io. |
Ny fifanolanan’ny tombontsoa manokana amin’ny asa | Mitranga io rehefa misy olona mandray anjara amin’ny asa maro mifandray tendro, ka mampitanila ny fandraisana fanapahan-kevitra. Ohatra, misy ny fifangaroana tombontsoa rehefa manome tsenam-panjakana ho an’ny orinasany ny mpiasam-panjakana iray. Amin’io tranga io, tsy tokony afaka handray anjara amin’io tsena io ny orinasany. |
Ny hosoka | Hetra na sandan’ny servisy alaina tsy amin’ny ara-dalàna. Mitranga izany rehefa mampandoa hetra na saran’ny servisy ny mpiasam-panjakana nefa tsy manam-pahefana ny amin’izany. Mitovitovy amin’ny fandraisana tsolotra io tranga io. |
Ny fanomezan-danja ny fianakaviana | Ny fanomezan-danja ny ao anatin’ny fianakaviana amin’ny fandraisana mpiasa, izay mamery ireo tokony hahazo an’izany. |
Ny firaisana tsikombakomba na « collusion » | Fifanarahana eo amin’ny antoko roa na maro efa misain-dratsy handiso ny lalana tokony harahina. Karazana iray amin’izany ny fanomezana atontan-kevitra sy atontan’isa voarakitra ho tsiambaratelo, mba hahafahan’ny mpandraharaha iray mahazo tsena. |
Ny fanodinkodinam-bola | Ny hala-bola na fitaovana ataon’ny mpiasa iray |
Ny famotsiam-bola | Mahakasika ny fifamoivoizan’ny vola azo tsy ara-dalàna, ary ny tetika natao hanadiovana an’izany. Anisan’ny famotsiam-bola ihany koa ny fandefasana vola vahiny tsy ara-dalàna izay natao hialana amin’ny fanaraha-maso sy/na ny fitsirihana ataon’ny sampan-draharahan’ny hetra eo an-toerana. |
Ahoana no fandrefesana ny kolikoly ?
Tena sarotra ny mandrefy ny kolikoly satria hetsika natao ankiafinafina izy. Tsy misy fenitra iraisam-pirenena eken’ny rehetra amin’ny fandrefesana ny kolikoly. Ary vitsy ireo amboaran’atontan’isa azo ekena ka milaza ny tena fisehon’ny kolikoly. Tena zava-dehibe anefa ireo angom-baovao ireo amin’ny fitiliana ny programa hiadiana amin’ny kolikoly. Ny tahan’ny fahitan’ny olona ny kolikoly na “Indice de perception de la corruption” (IPC) arafitra sy havaozin’ny Transparency international isan-taona no fandrefesana ampiasain’ny besinimaro. Anasokajiana ny firenena io taha io, arakaraky ny haben’ny kolikoly tsapan’ny olona eny anivon’ny fanjakana, ny tontolon’ny mpanao politika. Natao ho an’ireo firenena tena mahitsy ny naoty 10 ary 0 kosa ny an’izay tena be kolikoly.
Loharanom-baovao | Tondro fandrefesana ny kolikoly | Tranonkala |
---|---|---|
Economist Intelligence Unit (EIU) | Ny kolikoly eo anivon’ny governemanta sy ny mpiasam-panjakana. | www.eiu.com |
World Economic Forum Global Competitiveness Survey (GCS) |
|
www.weforum.org |
Gallup World Poll (GWP) | Moa ve ny kolikoly mihanaka eo anivon’ny governemanta ? | www.gallupworldpoll.com |
Institutional Profiles Database (IPD) |
|
www.cepii.fr |
Banque africaine de développement (BAD) (Policy and Institutional Assessment) | Mangarahara, tamberin’andraikitra sy kolikoly eo amin’ny fanjakana | http://cpia.afdb.org |
Afrobaromètre (AFR) Tetik’asam-pikarohana tsy momba ny atsy na ny aroa ny Afrobaromètre ary manao tombana ny tontolo sosialy, politika sy toekarena aty Afrika. |
|
http://afrobarometer.org/fr |
Global Insight Business Conditions and Risk Indicators (WMO) |
|
www.globalinsight.com |
Asian Development Bank (ASD) Country Policy and Institutional Assessments | Mangaraharaha, tamberin’andraikitra sy kolikoly eo amin’ny seha-panjakana | www.adb.org |
Business Enterprise Environment Survey (BPS) |
|
http://data.worldbank.org/data-catalog/BEEPS |
Bertelsmann Transformation Index (BTI) Tahan’ny fiovana |
|
http://www.bti-project.org/bti-home |
Freedom House Countries at the Crossroad (CCR) | Ady amin’ny kolikoly sy mangaraharaha | http://www.freedomhouse.org/report-types/countries-crossroads |
Freedom House (FRH) | Kolikoly | www.freedomhouse.org |
Transparency International Global Corruption Barometer Survey (GCB) |
|
http://www.weforum.org |
Global Integrity Index (GII) |
|
https://www.globalintegrity.org |
IFAD Rural Sector Performance Assessment (IFD) | Tamberin’andraikitra, mangarahara sy kolikoly eny ambanivohitra | www.ifad.org |
Latinobarometro (LBO) | Ny fotoana isian’ny kolikoly | www.latinobarometro.org |
World Bank Country Policy and Institutional Assessments (PIA) | Mangarahara, tamberin’andraikitra sy kolikoly ao amin’nyfanjakana | www.worldbank.org |
Policital Economic Risk Consultancy Corruption in Asia (PRC) | Hatraiza no mampananosarotra ny tontolon’ny fandraharahan’ireo orinasa vahiny ny kolikoly ? | www.prsgroup.com |
Vanderbilt University Americas Barometer Survey (VAB) | Ny fotoana isian’ny kolikoly eo amin’ny mpiasam-panjakana | www.lapopsurveys.org |