Ny politika mikasika ny fitazonana tsiambaratelo sy ny fepetra fampiasana ny tranonkala

Accueil|Ny politika mikasika ny fitazonana tsiambaratelo sy ny fepetra fampiasana ny tranonkala
Ny politika mikasika ny fitazonana tsiambaratelo sy ny fepetra fampiasana ny tranonkala 2017-07-26T09:41:23+03:00

Napetraka ny tetik’asa TsyCooKoly hahafahan’ny mpampiasa ny aterineto (na “Internet”) mijoro vavolombelona raha sendra kolikoly eto Madagasikara. Afaka maneho hevitra momba ny fijoroana vavolombelona nalefan’ny hafa koa izy ireo, mizara izany fijoroana vavolombelona izany eo amin’ny tambazotra sosialy. Ny hisian’ny fifampiresahana mikasika ny kolikoly eto Madagasikara sy ny hamporisihana ny fiovam-pihetsika hanohitra ny fanaovana kolikoly no tanjona.

Mangataka amin’ireo mpampiasa aterineto rehetra izahay mba hanao izany amin’ny fomba mahasoa. Fa izany no hahatonga ity tranonkala ity ho fitaovana mahomby iadiana amin’ny kolikoly. Tsy ny hanondrotondroana na hanamelohana olona izay lazaina anarana mazava no tanjon’ny tranonkala fa ny fomba fanao hita any amin’ny sehatra samihafa. Noho izany, miangavy anareo izahay tsy handefa hafatra misy lainga, manala baraka, manompa, manimba, vetaveta na manimbazimba. Mety hanimba olona na sampan-draharaha ny fanehoan-kevitra manala baraka izay fanehoan-kevitra misy lainga. Tompon’andraikitra amin’izay rehetra alefany eo amin’ny tranonkala ny mpampiasa izany. Tsy tompon’andraikitra kosa ny TsyCoolKoly na mikasika ny fahamarinan’izay rehetra avoakan’ny mpampiasa ny tranonkala, ny maha-ara-dalàna na ny fifanarahan’izany amin’ny fahaiza-miaina. Zon’ny TsyCoolKoly ny manova na tsy mamoaka fijoroana vavolombelona sasantsasany manala baraka, manompa, mandrahona, manimba, vetaveta na manazimba.

Avoaka ho fantatry ny besinimaro ny fijoroana vavolombelona nalefan’ny mpampiasa ny tranonkala, ary ho an’ireo izay maniry izany, dia alefa any amin’ny manam-pahefana sy any amin’ny gazety.Na izany aza, mandray an-tanana ny fiarovana ny fiainana manokan’ireo mpitsidika sy mpampiasa ny tranonkala ny TsyCoolKoly. Tsy havoaka ho fantatry ny besinimaro ny anarana, ny fanampiny, ny adiresy mailaka, sy izay mety ho angom-baovao mahakasika ny fianana manokana. Tsy hozaraina any ivelany ihany koa izany, raha tsy hoe misy fangatahana manokana nataon’ny mpampiasa ny tranonkala. Alefanay ho fantatry ny hafa ny fijoroanao vavolombelona rehefa avy nesorina ny anaranao na izay mety ho angom-baovao hahafahana mamantatra anao. Mety ihany koa hatambatray amin’ny fijoroana vavolombelona sy angom-baovao avy amin’olon-kafa mba tsy hahafahana mampifandray anao amin’izay tantarainao.

Mety misy rohy mankany amin’ny tranonkala an’ny sampan-draharaha hafa eto amin’ity tranonkala ity ary tsy tompon’andraikitra amin’izany ny TsyCoolKoly. Napetraka ireny mba tsy hanahirana anareo mpampiasa ny tranonkala ary manaiky ianareo fa hampiasa azy sy hizaka izay vokatr’izany. Tsy tompon’andraikitra amin’ny ataon’ireo tranonkala hafa sy izay ao anatiny ny TsyCoolKoly