Un medecin exemplaire

Accueil|Un medecin exemplaire
Santé | Gestion du fonds d’équité | Ar
Date: 03-08-2017 , Atsinanana – Toamasina II | Rapport #1392

Nitondra ankizy nilasy tany vohidrotra Analamalotra izahay. Nisy narary tampoka tamin'ireo ankizy (asmatique) nefa ny andro amin'ny 12 ora alina. Rehefa niresaka tamin'ny sefo fokontany dia nanoro olona izy sady nanampy anay nitady fiara teo an-tanàna. Nentina tao amina dokotera tao Analamalotra ilay zaza. Tsara fanahy loatra ilay dokotera ary nandray sady nitsabo tsara, nanome fanafody izy avy eo ary nilaza fa raha sendra mbola misy zaza marary na miverina ny aretina dia tongava ao aminy ihany. Nony nanome vola izahay dia nolazainy fa tsy mandray vola izy satria efa asany izany ary izany no hanaraman'ny fanjakana azy dia ny hitsabo vahoaka. Malaza ho tsara fanahy io dokotera io izay miasa ao amin'ny hopitaliben'i Toamasina(docteur dani no anarany).

Le citoyen n’a pas demandé à ce que le rapport soit partagé

Laissez un commentaire