Education | Autre | Ar
Date: 2014 , Analamanga – Antananarivo Renivohitra | Rapport #486
Nanana namana mpiara-mianatra tamiko izay tamin'izaho preiére. Tratra nangalatahaka izy indray andro rehefa nanao examen izahay. Avy hatrany dia norovitin'ilay mpapianatra ny taratasim-pananadinany ary nalefany nody izy. Afaka andro vitsivitsy taorinan'izay dia tratra nangalatahaka ihany koa ilay ankizilahy zanaka mpanankarena be tao am-pianarana. Tsy norovitin'ilay mpampianatra ny taratasim-panadinana fa nalefany nody fotsiny izy. Rehefa atonga ny fizarana ny taratasim-panadinana dia mbola nahazo naoty ambony ihany ilay lehilahy.
Le citoyen n’a pas demandé à ce que le rapport soit partagé
Laissez un commentaire