voatery nadoa vola mba hahazoana attestation de déclaration de perte

Accueil|voatery nadoa vola mba hahazoana attestation de déclaration de perte
Police | Déclaration de vol ou de perte | Ar
Date: 18-09-2017 , Analamanga – Antananarivo Renivohitra | Rapport #1896

Mba hahazoako solony dia nanao déclaration de perte ny puce n’ny téléphone ko aho. Nasain’ny polisy vavy iray manao akanjo sivily miasa ao amin’ny secrétariat Commissariat de police 7ème arrondisement nandoa vola 15 000 ariary. Nony nivoaka aho dia novainy hoe 15 000 fmg(@ ny teny frantsay ny sora-bola). Tsy nisy rosia anefa tamin’izany. Ny tena moa maika sady eo anatrehan’ny lehibeny manana galona misy bokotra doré sy ny mpandray taratasy dia tsy sahy nanohitra.

Marihiko fa taloha, tamin’izaho very karapanondro ka nanao déclaration tao @ io service io ihany, dia 1 000 ar no notakian’ilay polisy lahy nandray ahy. Mazava ho azy fa tsy misy reçu, fa hoe fandraisana anjara @ fananganana ny rova hono. Ny fahitako azy dia fomba efa fanao ao amin’io birao io izao, ary mahafantatrra an’io ny lehibeny.

 

Le citoyen n’a pas demandé à ce que le rapport soit partagé

Laissez un commentaire